Tapa-kevitra fa dia handray anjara feno amin’ny fifidianana solombavambahoaka tokoa ny Zanak’i Dada raha ny mitranga tao amin’ny Distrikan’Antanifotsy, Vakinankaratra. Tafapetraka ny marainan’ny alatsinainy 23 septambra tokoa mantsy ny antontan-taratasin’ny kandidà Rasolonjanahary Selitiana izay natolotry ny Antoko Zanak’i Dada madiodio. Nambarany moa fa toerana roa no hiadivana ao amin’ity Distrika ity ka tsy nivaky akory fa samy nifaninana izy sy ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana izay depiote teo aloha, araka ny fandaminana. Mikasika ny fifidianana filoham-pirenena dia efa am-periny tanteraka amin’izao fotoana ny hetsika sy ny asa ho fampandaniana ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana dia ny Dr Jean Louis Robinson.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.