Nivoaka omaly talata 29 Oktobra ny vokatra vonjimaika tsy ofisialy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natao ny zoma 25 oktobra lasa teo tao amin’ny Distrikan’Ambositra.
Tamin’ireo mpifidy voasoratra anarana miisa 86 736 dia tonga nandatsa-bato ny 53 252, vato tsy manankery 2 924, vato manankery 50 328. Vato azon’ireo kandida vitsivitsy tamin’ireo 33 nandray anjara : Hery Rajaonarimampianina nahazo vato 9 441 (18,76%), Hajo Andrianainarivelo nahazo 9 634 (19,14%), Dr Robinson Jean Louis nahazo 6 560 (13,03%), Camille Vital nahazo 2 828 (5,62%), Rajaonary Patrick nahazo 2 546 (5,06%), Saraha Rabeharisoa nahazo vato 3 193 (6,34%). Nahatratra 61,40% ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy tao amin’ny Distrikan’Ambositra. Nahatsikaritra tsy fahatomombanan’ny fizotry ny fifidianana ireo mpanara-maso sy ny mpitondra tao Ambositra toy ny fahamaroan’ny olona tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana, fahadisoan’ny anaran’ny mpifidy ary tsy fahazoan’ny mpifidy sasany kara-pifidianana. Na izany aza anefa dia nizotra tamim-pilaminana amin’ny ankapobeny ny fifidianana tany an-toerana. Andrasana ny voka-pifidianana avy any amin’ny Distrika telo hafa ao Amoron’i Mania.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.