Politique

Distrikan’Ambatofinandrahana Idiran’ny resaka politika ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

“Mihoatra ny mety kosa ny zava-misy ka tsy maintsy anaovana fitarainana amin’ny mpitondra foibe”, hoy ireo solontenam-pokonolona ao amin’ny Kaominina Ambatomifanongoa sy Ambondromisotra, distrikan’Ambatofinandrahana manoloana ilay raharaha itorian’ny olom-boatendry iray ny Ben’ny tanŕnan’Ambatomifanongoa.

 Nambaran’ny Lehiben’ny Dina ao amin’ny Kaominina Ambatomifanongoa fa “misy mitory any amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao ny Ben’ny tanàna ao Ambatomifanongoa. Olom-boatendry any amin’iny distrika iny ihany ny mitory azy”. Ampangaina ho mitaky vola amin’ny olona voasoratra ao anaty “lisitra mainty” sy manao fanamparam-pahefana ilay Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa akaiky aminy, ka nanao fitarainana ireo vahoaka ao amin’ny Kaominina satria ity Ben’ny tanàna ity no ambaran’izy ireo fa tsy mandry andro sy tsy mandry alina ary matory any an-tsaha mihitsy miandry kizo.

Malahelo amin’ny zava-manjo ity olom-boafidy ity ny Fokonolona any an-toerana ka nanao antso avo hijeren’ny Fanjakana vahaolana haingana. Efa natao fanadihadiana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ity raharaha ity io Ben’ny tanàna io ny herinandro teo. Nambaran’ny teo anivon’ny Zandary nanao ny famotorana anefa fa nandà tsy nenty nanoratra ilay fitoriana ireo olona nasaina nitory ity olom-boafidy ity satria sonia sandoka avokoa no ao anatin’ilay fitoriana ka nambaran’ny Zandary ao Ambatofinandrahana fa tsy mitombina ireo fitoriana ireo. Miandry ny fotoam-pitsarana ilay Ben’ny tanàna amin’izao fotoana izao ny vahoaka ao Ambatomifanongoa. Etsy andanin’izany anefa dia mandeha ny rahom-bava fa hoe hosoloina PDS ity Ben’ny tanàna ity.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT