Politique

DISTIM Faritra iva Tsy maintsy filoha Ravalomanana


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Notanterahina omaly alahady 18 martsa tetsy amin’ny sekoly Charlemagne Antohomadinika ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona 2018 ho an’ny mpikambana Distrika TIM faritra Iva toa an’Ampefiloha, Andohatapenaka, Manarintsoa, Andranomanalina, Anatihazo.

Tanjona voalohany ny ampandaniana an’ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana 2018 ary mandray ny fahefana maha filoham-pirenena azy izy ny taona 2019. Foanana manomboka izao ihany koa ny fitenenana hoe ambany tanàna na ny hoe faritra iva fa miteraka elanelana, hoy izy ireo. Ankoatra izay, nanambara izy ireo fa n’inona n’inona sakantsakana atao amin’ny filoha Ravalomanana dia tsy maintsy tafiditra ho kandida hofidina izy. Ezahina ihany koa ny ampitana amin’ny mpikambana ny amin’ny toetra tsara tokony halain-tahaka toy ny fandeferana sy ny fahamatorana amin’ny fandraisan-andraikitra ary ny fahamarinana ananan’ny filoha Ravalomanana, indrindra manoloana izao trangan-javatra mahazo azy izao.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT