“Ho modely amin'ny fomba fiasa amin'ny fiatrehana ny fifidianana ny DisTIM na Tiako i Madagasikara ao amin'ny Boriborintany faha-4 eto Antananarivo Renivohitra”,
hoy ny depiote Randriamandimbisoa Félix omaly nandritra ny fanofanana ny solontenan’ny FokoTIM manerana ny fokontany miisa 32 ao amin'ity Boriborintany ity. Nitarika izany ny depiote sady filohan’ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, Randriamandimbisoa Félix, ny filohan'ny DisTIM, Rakotomanana Gilbert, ny filohan'ny Tanora Tiako i Madagasikara ary ny mpitarika Vehivavy Tiako i Madagasikara. Nisy ny fanentanana ny amin'ny hanamarinana ny lisi-pifidianana ka nitondrana fanazavana ny mikasika ilay adiresy mailaka an'ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana ahafahana manamarina haingana raha voasoratra ao anaty lisitra na tsia. Teo ihany koa ny fijerena sahady ireo ho mpikambana any amin'ny birao fandatsaham-bato toy ny “délégué de vote”, ny mpanaramaso ary ny CLNR. Notsiahivina nandritra ny fiofanana omaly fa hanomboka ny 1 desambra ho avy izao ka hatramin'ny 31 janoary 2018 ny fisoratana anarana vaovao ao anaty lisi-pifidianana, ny 1 desambra ka hatramin'ny 15 aprily 2018 kosa ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Notsindrian'ny depiote Randriamandimbisoa Félix fa “tonga dia miasa isika ary mila miroso mankany amin'ny ara-dalàna hatrany”. “Efa eto ny filoha Marc Ravalomanana izay kandidan'ny antoko Tiako I Madagasikara izay hanara-maso akaiky sy hirotsaka an-tsehatra mivantana amin'ny asa satria mbola vonona hanarina ny firenena ny tenany koa mila tohanana”, hoy hatrany ity olom-boafidy ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.