Politique

Diso kajy hatrany am-boalohany Mandroso mihemotra ny fitondrana


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Vantany vao tonga eo amin’ny fitondrana dia manomboka ny asa. Herintaona nihodinkodina fotsiny avy eo nosoloina ny ekipa.

 

 

                                                  

Nambara fa mialoha ny fifidianana dia efa vonona ny IEM, ny mpiaramiombon'antoka sy ny mpamatsy vola ary ny ekipa hanatanteraka, araka ny fanambarana tany Frantsa ny 26 janoary 2018 tao amin’ny Petit Palais des Beaux-Arts any Paris. Ny tsy fananam-bola efa tsy resahana intsony. Ny vola tsy miditra, ny tahirin'ny orinasam-panjakana ao amin’ny CNaPS indray no holoarana. Io anefa no mba hany orinasam-panjakana matanjaka sy mahavelon-tena. Notsapaina herintaona ny governemanta. Ny filoha Rajoelina mihitsy no niaiky fa misy tsy maharaka ny hafainganam-pandeha, tsy mahavita asa, nisy nanondrana mihitsy aza. Nosoloina dia hoe “contrat programme” herintaona indray ireo. Nalalaka tsara anefa tamin’ny fisafidianana ireo mpiara-miasa aminy ny filoha, ny mpanohitra miteny ihany fa tsy lasa lavitra. Totoafo ny serasera momba ny IEM, Tanamasoandro, Building, fanamboaran-dalana, fananganana ozinina hamokatra ethanol (Ambilobe),… Mihisatra anefa ny asa. Nambara fa misy tsy mety ny ao amin’ny orinasa mpitrandraka fasimainty dia ny QMM Tolagnaro, ka tsy maintsy hotsirihina. Hatramin’izao anefa tsy mbola nanomboka ilay “audit” ataon’ny fitondram-panjakana. Fa miandry inona ?

 Efa vonona na ara-bola na ara-teknika, hoy ny filoha. Nahoana no ny volan’ny orinasam-panjakana indray no halaina ?

VAHAOLANA MITERAKA OLANA HAFA…

Omena tany ny arabo fa hamboly vary. Ny tany an'ny Malagasy koa nahoana no tsy tonga dia mahazo vokatra amin'io fa mbola hoe amidy eto indray ilay izy ? Tanimbarinao ve ampiasain’ny olona, dia avy eo ianao indray no mividy vary amin'ilay olona mpanofa ? Hototofana ny tanimbary hanaovana tanà-masoandro. Hanototra tanimbary ny fanjakana kanefa miresaka fahaleovantena ara-tsakafo. 200 000 taonina eo ny tsy fahampiana ara-bary eto ka mbola hanototra tanimbary ihany ve ? Ny fanjakana foibe hanototra fa ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) mamoaka taratasy hoe haato ny fanotorana tany fa hisy fitsirihana atao aloha. Samy fanjakana kanefa mandray fanapahan-kevitra mifanohitra. Ekena fa vao iray volana no tonga ny mpitantana ny renivohitra izay avy amin’ny antokon’ny fitondrana, ka hoe manga ny lanitra ary hihazakazaka ny asa fanarenana sy fanatsarana. Tsy tena izay anefa no zava-misy ary toa vao miha aza miteraka fahasosorana etsy sy eroa ny fanapahan-kevitra noraisina (tetibolan’ny kaominina, fandaminana ireo mpivarotra…) Fandaminana sy fanatsarana no noresahana, toa savorovoro anefa no hita etsy sy eroa. Anio alakamisy izao no hifindra etsy Anosy ireo mpivarotra isaky ny alakamisy eny Mahamasina. Asa izay hitranga fa efa maro be ny fimenomenomana momba azy io.

TE HANAO ZAVATRA SAINGY…

Te hanao zavatra ny fitondram-panjakana, saingy tsy mety tafiainga. Diso ve ny paikady sa tsy nisy akory ny drafitra matotra efa vita tany am-boalohany ? Tsy takona afenina fa manana olana amin’ny olona hampitazonina andraikitra ambony ity fitondrana ity ka izay no namoahana ilay fitadiavana “cerveaux” farany teo. Afaka manome toky ve ny filoham-pirenena fa tena hanainga amin’ízay ny lamasinina haingam-pandeha hanarina ny firenena fa efa vita izay ny andrana herintaona ? Tsy vitan’ny teoria ny fitantanana firenena. Amin’izao zava-misy mifamoivoy izao no hitsarana ny mahay politika sy mahay mitondra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT