Politique

Diso fanantenana ny Raiamandreny Mijoro Tsy tonga ny Ankolafy 3, nivoaka ny trano ny V6


  • Talata 30 Aogositra 2011

Vao niandoha dia efa nisavoritaka sahady ny fihaonana fanelanelanana, fampihavanana nokarakarain’ny Raimandreny Mijoro teny amin’ny CCI Ivato.

Samy nahatsapa ny rehetra omaly fa tsy hitondra inona loatra fa toa karazan’ny famerezan-dia sy fandaniana andro sy vola fotsiny ihany izany fivoriana izany. Ireo ankolafy tokony hampihaonina sy hampihavanina aza samy tsy nisy tonga teny an-toerana, dia ny avy ao amin’ny Ankolafy telo. Ireo vondrona politika 6 nametraka ny dina repoblikanina indray dia nisintaka nivoaka ny trano fivoriana. Tsy tonga teny an-toerana ihany koa ny avy amin’ny FFKM sy ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika izay samy nomena fanasana avokoa. Nahitsy moa ny tenin’ireo fikambanana politika 6 momba ny resaka fampihavanana kasain’ny Raiamandreny Mijoro hatao.

“Tokony hojeren’ity farany akaiky aloha ny disadisa eo aminy sy ny FFKM ary ny Cnosc vao miroso hampihavana ny hafa izy ireo”. Raha ny fantatra tokoa manko dia ny Cnosc no efa nahazo ny fankatoavan’ny maro an’isa, hatramin’ny iraisam-pirenena hitarika ny dinika eo amin’ny samy Malagasy hikatsaham-bahaolana kanefa tamin’ity asan’ny Raimandreny Mijoro ity dia karazana mpandray anjara tsotra fotsiny ihany ity vondron’ny fiarahamonim-pirenena ity. Ankoatra ireo nisintaka sy tsy tonga voatanisa teo ambony ireo dia tsy hita teny an-toerana ihany koa na ny profesora Raymond Ranjeva izay manana ny Vonjy Aina, ary miara-mitarika ny hetsiky ny olon-tsotra na i Fetison Rakoto Andrianirina, nanao ny “Paix des braves”. Araka izany dia tsy dia antenaina loatra amin’izay ho famahana olana ity fihaonana eny Ivato nanomboka omaly ka hifarana anio ity.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT