Namaly bontana ny fanambarana nataon’Atoa Rakotomamonjy Jean Max mpandrindra nasionaly ny antoko Leader Fanilo ny mpikambana hafa ao amin’ny antoko mitaky ny fialany amin’ny fitantanana ny antoko
. Araka ny fanazavan’Atoa Berthnès Lalaina avy ao amin’ny leader Fanilo dia taorian’ny nahavitan’ny fifidianana loholona farany teo no nandraisan’ny mpikambana fanapahan-kevitra ny amin’ny hanalana an’Atoa Rakotomamonjy Jean Max amin’ny toeran’ny filohan’ny antoko ka hikarakarana fifidianana izay ho filoha vaovao hitarika ny antoko. Ny nandatsahan’ity filohan’ny Antenimieram-pirenena ity ny vady andefimandriny ho kandida loholona tamin’ny anaran’ny Leader Fanilo tany Antsiranana kanefa ity vadiny ity dia ambaran’ny mpikambana sasany ho tsy anisan’ny mpiara-dia amin’ny Leader Fanilo fa toa lasa nisongona ny toeran’ny tena mpikambana fotsiny. Anisan’ny anomezan’ny mpikambana Leader Fanilo sasany tsiny an’atoa Rakotomamonjy Jean Max sy ireo mpiara-dia aminy ihany koa ny tsy mba nampiakarana teo anivon’ny antoko ny dinika alohan’ny nandraisana fanapahan-kevitra tamin’ny anaran’ny antoko nandritra ireny fikasana nampiatoana ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra tamin’ny asany ireny.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.