Politique

DIS-TIM I sy Association Mitambatra Nandamina ny fomba fiasa


  • Talata 09 Aogositra 2016

Nihetsika indray ny DIS-TIM Boriborintany voalohany notarihan’ny filohany Rakotomamonjy Philippe ka niara-nikarakara hetsika baolina kitra tamin’ny “Association Mitambatra”

tarihan-dRandriamanivo  Hajanirina  avy ao amin’ity Boriborintany ity  mba hitaizana ny tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina ary mba ho fialam-boly koa amin’izao andro fialantsasatra izao. Sokajy 2 izay nahitana ekipa 24 avy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana ka notontosaina ny alahady 7 aogositra teo  teny amin’ny  kianjan’ny EPP   Antanimena ny famaranana  rehetra ka tafavoaka ho mpandresy nibata ny omby matavy miampy vola 1 hetsy ariary teo amin’ny sokajy senior ny ekipan’ny FC DT izay nandresy ny 2  SC Ankazomanga 3 no ho 1.  Teo amin’ny sokajy junior kosa dia ny ekipan’ny FC  Lalah  Ankazomanga  no nibata  ny  ondry mifahy  niampy vola 1 hetsy  ariary  nanoloana   ny ekipan’ny 7 Mafia  III G Hangar  tamin’ny  tirs au but  6  no ho  5.  Tonga nanolotra ny fanomezana teny an-toerana mihitsy moa ity filohan’ny DIS-TIM ity. Hotanterahina in-2 na in-3 isan-taona ny hetsika.

 Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT