Tontosa omaly talata 1 oktobra 2019 teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha Atoa Naina Andriantsitohaina,
izay lasa kandida ben’ny tanàna sy Atoa Ntsay Christian, praiminisitra sady minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana. Ny 18 septambra 2019 lasa teo no nanambaran’ny filankevitry ny minisitra, izany. Nandritra ny lanonana no niarahaban’ny praiminisitra sy nitondrany fisaorana manokana ho an’Andriamatoa Andriantsitohaina Naina, noho ny ezaka vitany sy ireo vokatra azo teo anivon’ity minisitera ity, tao anatin’izay valo volana nitarihany izay. Tao no nahafahana nametraka ny politika manokana mahakasika ny diplaomasia sy ny raharaham-bahiny amin’ny ankapobeny, izay hifototra bebe kokoa amin’ny toekarena, ka hamerenana indray ny fitokisan’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpampiasa vola eto Madagasikara. Marihina fa fanamby napetraky ny fitondram-panjakana ny momba io politika manokana voalaza io.
Notsiahiviny koa fa nandritra ny fotoana nitantanan’ity minisitra ity no tafapetraka ny sata manokana mifehy ireo « Agents Diplomatiques et Consulaires ». Araka izany, dia hisy manomboka izao ny fifandimbiasan’andraikitra eo amin’ireo mpiasan’ny masoivoho malagasy, « Tsy hisy intsony olona iray hiasa ao anatin’ny 10 na 15 taona any amina masoivoho malagasy iray (consulat)», hoy ny praiminisitra. Heverina ho mafy sy matanjaka amin’io ny praiminisitra, izay vao avy nisolotena an’i Madagasikara tany amin’ny fivorian’ny Firenena Mikambana andiany faha-74 tany Etazonia. Tsikaritra ho manana fifandraisana akaiky amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy. Nitondra ny teny firarian-tsoa manokana ho an’Atoa Andriantsitohaina Naina koa ny tenany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.