Politique

Diplaomasia Nangoron’entana ny masoivoho Amerikanina


  • Alakamisy 22 Martsa 2018

Hatairana ny nandrenesana fa handao an’i Madagasikara tsy ho ela ny Masoivoho Amerikanina Robert Yamate.

Nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ity diplaomaty Amerikanina eto Madagasikara ity omaly, izay tapitra teto amintsika ny iraka nampanaovina azy. Raha tsiahivina, ny 4 aogositra 2014 ny tenany no voatendrin’ny Filoha teo aloha Barack Obama ho masoivohon’i Etazonia teto Madagasikara, ary ny 10 janoary 2015 no nanolotra ny taratasy manendry azy. I Niels Marquardt izay fantatry ny rehetra tsara tamin’ny tsy fankasitrahana ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 no teo alohany. Nanomboka teo no tsy nisy masoivoho Amerikanina teto Madagasikara, fa i Eric Wong no niantsoroka tamin’ny fampandehanan-draharaha ankapobeny noho ny tsy fankasitrahan’ny bekintana ny fandrombaham-pahefana mifanipaka amin’ny lalàmpanorenana. Naneho ny fahafahampony tamin’ny fiaraha-miasa teo amin’ny tany roa tonta i Robert Yamate. Nisaorany manokana ny fiaraha-miasa matotra tamin’ny governemanta Malagasy, indrindra fa ny tamin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Resy lahatra sy afa-po tamin’ny fahombiazan’ny tetikasam-pampandrosoana novatsian’ny Amerikanina vola teto ity masoivoho ity, toy ny fananganana fotodrafitrasa. Teo ihany koa ny fanampiana tamin’ny alalan’ny USAID tamina lafin-javatra maro, toy ny fahasalamam-bahoaka, ny loza voajanahary, ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka tamin’ny ankapobeny … Maniry ny hisian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary milamina mba hisian’ny fitoniana hahafaha-miroso hatrany amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Notsiahiviny ny fiakaran’ny harinkarena 4,3%. Tampoka ny fahenoana ity handaozan’i Robert Yamate an’i Madagasikara ity. Tsy hay aloha na misy hifandraisany tamin’ny raharaha nidirany an-tsehatra tamin’ny raharaha AAA-Tiko Andranomanelatra, narahin’ny fampiantsoan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary Njaka azy ny 12 martsa teo izy ity. Toa nanamaloka ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny HVM sy ny Amerikanina iny raharaha iny.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT