Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasan’ny parlemanta Belza sy Malagasy ny resaky ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly sy ny delegasionina Parlemantera Belza avy any amin’ny Parlement de la Fédération Wallonie – Bruxelles (PFWB) notarihan’Atoa Philippe Courard, teny Mahazoarivo omaly.
Efa nisy ny fanasoniavana fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny parlemanta roa tonta ny alatsinainy lasa teo ka jerena ny hanatanterahana azy. Maniry ny hanitarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny toekarena ihany koa ry zareo Belza, raha araka ny resaka teny Mahazoarivo omaly. Nampanantena ireto parlemantera ireto fa handresy lahatra ny mpandraharaha any amin’izy ireo ho avy hampiasa vola eto Madagasikara. Sehatra iray hahafahana miara-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny fampianarana, indrindra fa ny ambaratonga ambony satria efa maro ny tanora Malagasy manohy fianarana any Belzika. Miasa amin’ny fametrahana fitoniana mba hisintonana ny mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara ny governemanta, hoy ny praiminisitra. Niantso an’i Madagasikara mba hanohana sy hifidy azy amin’ny fifidianana mpikambana tsy maharitra eo anivon’ny filankevi-pilaminan’ny firenena mikambana ho an’ny taom-piasana 2019 – 2020 moa ireto parlemantera ireto. Amin’ny herintaona no hotanterahana any New York Etazonia io fifidianana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.