Noho izao fahatrarana ny taona vaovao 2017 izao, dia tonga niarahaba ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny avy amin’ny Vondro “CEDS”, notarihin’ny
Delege jeneraly aty amin’ny Ranomasimbe Indianianina, Solofo Rasoarahona. Nampahafantatra fohifohy tamin’ny filoha ny tanjon’ity Ivon-toeram-panofanana iray manofana momba ny diplaomasia ity ho an’ny taona 2017 ny Delege jeneraly ity, ka nilaza fa isan’ny programa hotanterahina amin’ity taona ity ny hetsika mifandraika amin’ny tantaram-pirenena satria mitsingerina amin’ity taona ity ny faha-200 taonan’ny diplaomasia Malagasy, izay nanomboka tamin’ny taona 1817. Eo ihany koa ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny 29 martsa 1947. Nilaza kosa I Hery Rajaonarimampianina fa vonona hatrany amin’ny amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tànana amin’ny hetsika mifandraika amin’ireo tantaram-pirenena ireo. Nasian’ny filoha resaka ihany koa ny lafiny fampandrosoana sy ny fiainana ara-tsosialy ary ny toekarena, ka nilazany fa isan’ny nanana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny “CEDS” ary nivaingana ny fandraisan’andraikitra sy adidy niantsorohany nandritra ireo fihaonana iraisam-pirenena teto, ka nirarian’ny filoha azy ireo hahomby hatrany amin’ny asa manaraka.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.