Handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny ambasadaoron’i Indonezia niasa sy nonina teto,
Andriamatoa Artanto Salmoen Wargadinata satria nifarana ny fotoam-piasany teto amintsika. Tonga nanao veloma ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely izy omaly. Nandritra izany no nanamafisany fa hiara-kiasa eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy ny sosialin’ny mponina ny Masoivohon’i Indonezia sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Hanome fiofanana ireo tsy an’asa eny amin’ny faritra iva eto Antananarivo ny Masoivohon’i Indonezia ho amin’ny fambolena soja, sy fanomezana fiofanana koa amin’ny fanodinana ny tsikafonkafona ho lasa taozavatra mampidi-bola. Izany dia tafiditra amin’ny fampananan’asa ireo tsy an’asa amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra. Efa eo am-pandrindrana izany fiaraha-miasa izany ny ao amin’ny masoivohon’i Indonezia sy ny ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka ato anatin’ny andro vitsivitsy no hanombohan’izany tetikasa izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.