Mba nangingina tao ho ao ireo “dinaozoro politika” dia izao indray fa tonga masiaka.
Nilaza avy hatrany izy ireo omaly fa tsy maintsy mila olona efa za-draharaha sy manana traikefa teo amin’ny sehatry ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny fananganana ny rafitra vaovao hanavotana ny firenena. Mety hisy fahamarinany ihany tokoa izany. Fa ilay fanampiny izay milaza fa fampianaran-diso kosa ny fizahana olom-baovao hitondra ny firenena angamba tsy azo ekena intsony. Ny taona 1960 no efa nahaleotena ny firenena ary saika efa teo foana ireo “dinaozoro” nandritra izay tantara lava be niainan’ny firenena tsy nety nahatafavoaka antsika tao anatin’ny fahantrana izay. Efa tsy latsaky ny in-jato koa ny teny nivoaka nilazana fa tao anatin’ny taona maro tsy hita ny nataon’ireto dinaozoro politika ireto kanefa dia mbola izao tsy menatra milaza izao fa izy ireo ihany no tokony ho lohany amin’ny resaka fitadiavam-bahaolana ho an’ity firenena ity. Tsy lavina fa samy tafiditra amin’ny raharaham-pirenena isika mianakavy kanefa raha ny mbola hotarihina dinaozoro efa tsy nahavita azy izay saika teo foana tanatina fitondrana maro nifanesy aloha dia asakasak’izay mbola hanaiky an’izany. Iza moa no tao ambadik’ireo krizy nifanesy teto amin’ny firenena raha tsy izy ireo ihany ?
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.