Politique

Diniky ny telo tonta Misy ny zavatra mampiahiahy


  • Zoma 24 Mey 2013

Nitohy omaly teny amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena Ampahibe ny diniky ny telo tonta, nahitana ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM), ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra (CSC) ary ny foloalindahy.

Tsy nisy tonga teny kosa ireo kandida telo nantsoina hisintaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Omaly ihany dia nihaona nandritra ny ora iray sy sasany tamin’ny mpikambana eo anivon’ny CES teny Ambohidahy ny FFM sy ny CSC ary ny foloalindahy. Tsy nampahalalana moa izay tena votoatin-dresaka tao, fa ny azo antoka fotsiny dia manodidina ny fifidianana sy ny filatsahan-kofidian’ny kandida sasany no niompanan’ny adihevitra. Mbola hitohy amin’ity anio ity eny Ampahibe ihany ny fihaonana, ary mandeha ny feo fa mirona mankany amin’ny fanemorana ny fifidianana ny dinika. Araka ny vaovao voaray moa dia volan’ny foloalindahy no ampiasaina hikarakarana izao fihaonana izao. Niteraka adihevitra be ny fahafantarana izany omaly, satria ny mpitandro filaminana dia nangataka vola 7,5 miliara Ariary ho enti-miasa amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Olana ara-bola no nahatonga fifamaliana nandritra ny «Opération Tandroka» teo amin’ny samy mpitadnro filaminana. Izao anefa dia mamoaka vola hanaovana dinika politika ny lehibe ao amin’ny foloalindahy.

Nifanaraka moa ny telo tonta, noho io resabe io fa hoe tanterahana any amina toerana tsy andoavam-bola ny fihaonana manomboka izao, saingy efa sarotra ny hamafa ilay hoe : namoaka vola hanaovana dinika politika ny foloalindahy izay manizingizina fa tsy manao politika. Tsy atao mahagaga raha tsy matoky ity fampihaonana ity ary tsy tonga nanatrika izany ny kandida Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka, satria misy ny zavatra mampiahiahy manodidina ilay izy. Loharanom-baovao hafa no milaza fa fanomanana fitondrana vaovao mihitsy no ao ambadik’ity ketriky ny telo tonta ity, ary raha tonga amin’izany dia hailika moramora ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Beriziky Jean Omer ka ny filohan’ny FFM, ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain no mety hasolo azy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT