Politique

Diniky ny samy Malagasy Olan’ity firenena ity i Andry Rajoelina, soloy ny tondrozotra


  • Alakamisy 01 Martsa 2012

Tsy mandeha amin’ny laoniny izao tetezamita izao, manjaka n’aiza n’aiza ny tsy fandriampahalemana toy ny vono olona isan-karazany sy fandrobana mitam-piadiana.

 Tena manjaka ny dahalo sy malaso, kere sy maran-drano ny vahoaka. Miroborobo ny fandrobana ny harem-pirenena, indrinra ny bois de rose. Mpanampina lavaka ny mpitondra ankehitriny fa aleo mividy kodiarana vaovao. Efa tsy mandeha intsony ka kapao fa manimba ny tany. Izany no teny niraisan’ireo rehefa nandaha-teny fohy tamin’ny lanonam-panokafana ny Diniky ny samy Malagasy notontosaina teny amin’ny Villa Elisabeth Ivandry omaly. Nilaza izany ireo solontenan’ny Faritra 22 (afa tsy Vakinankaratra sy Analamanga, ny solontenan’ny “Grand corps de l’Etat”, ny Rdmmr, ny DAT ary ny HVR.

Niampy ny resaka fanoherana ny fahavoazana tamin’ny zava-nihatra tamin’izy ireo izany, ho an’ireo niharam-boina tamin’ny hetsiky ny taona 2002. Mbola nikambanan’ny rehetra ihany koa ary notsindrian’ny filohan’ny Otrikafo manokana ny hoe : “I Andry Rajoelina no olana eto amin’ity fireneny ity” ka raha tsy miala izy sy ny olon’ny Frantsay miaraka aminy tsy hisy raha handeha eo. Mbola niraisan’ny rehetra farany ny tokony hanoloana ny sori-dalana izay tsy mahavaha olana eto amin’ny firenena na dia nisy ihany aza no niteny fa azo hatsaraina izy io raha ilaina. Marihina fa mpanao politika avy amin’ny ankolafy maro no nanohina ny antson’ny mpikarakara ity hetsika ity ankoatra ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sy mpikambana CT, ny filoha lefitry ny CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy CST hafa, ireo Ampanjaka sy sojabe ary Andriana maro, ary ny solontenan’ny zokiolona amin’ireo Masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika. Anio eny Ankatso no amoahana ny fehin-kevitr’ity Dinika ity ary nohamafisin’ny mpizaika ny hampiharana avy hatrany izany rehefa mivoaka.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT