Hanomboka anio eny amin’ny Villa Elizabeth – Ivandry, ary haharitra roa andro ny diniky ny samy Malagasy.
Anisan’ny handray anjara ao ny mpanao politika, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo herivelona isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. Tompon-kevitra ary mitarika ity dinika ity ny profesora Rajaonarivelo Paul. Hita miara-miasa akaiky aminy ny profesora Raymond Ranjeva sy manampahaizana malagasy maro izay samy efa nandinika ny tantaram-pirenena sy ny zava-misy eto hatramin’izay ka hatramin’izao. Manana soso-kevitra hamahana ny krizy ihany koa izy ireo, saingy hafa ihany ny teny ifampierana. Izay no nahatonga ny fikarakarana ity diniky ny samy malagasy ity. Misimisy ihany ireo olona sy tompon’andraikitra nandefasana fanasana, araka ny filazan’ny mpikarakara, koa dia ho hita eo ny ho fahatongavan’izy ireo eny Ivandry anio. Nilaza moa ny mpikarakara ny hetsika fa tsy hanitsaka ny tondrozotra mihitsy ny diniky ny samy malagasy, fa natao kosa mba hakana hevitra hahafahana miroso haingana kokoa amin’ny famahana ny krizy.
Raha nanontaniana ny heviny tamin’ity hetsika ity moa ny praiminisitra Omer Beriziky dia nanambara fa ny tondrozotra ihany no lalan-tokana hamahana ny krizy, ary efa fehin-kevitra nivoaka avy amin’ny fifampidinihan’ny samy malagasy izy iny. Ny avy amin’ny mpanohitra kosa , indrindra fa ny ankolafy Zafy Albert dia hanana solontena hivory eny Ivandry mandritra ny 2 andro. Milaza ny ho avy eny ihany koa ny Otrikafo tarihan’Atoa Rajaonah Andrianjaka. Tsy mbola fantatra mazava kosa raha hanana solontena ny avy amin’ireo antoko politika miara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita na tsia. Tsara homarihana fa anisan’ny foto-kevitra ijoroan’ny mpikarakara ity diniky ny samy malagasy ity ny tsy maintsy hifamelana sy hihavanan’ny rehetra, izay vao miroso amin’ny asa sy ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy. Araka ny fantatra ihany koa dia efa nikaroka toerana hafa mihitsy hanaovana ny fivoriana ny mpikarakara, saingy tsy nisy sahy nampiantrano azy ireo izay natonina rehetra, fa toa hoe manahy ny ramatahora avy any ambonimbony any. Tsy nisalasala nanome toerana kosa anefa ny profesora Albert Zafy, mpiahy ny diniky ny samy malagasy, ka dia izay no nahatonga ilay izy hotanterahana ao amin’ny Villa Elizabeth.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.