Fananganana sori-dalana vaovao, fananganana fitondrana tetezamita hiaraha-mitantana vaovao miainga amin’ny fitondrana miaramila, fanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka vaovao, fanatanterahana fampihavanam-pirenena, fanatanterahana indray fikaonandoha vaovao ho an’ny miaramila, ireo rehetra ireo raha atao bango tokana ny fehin-kevitra nivoaka avy amin’ny roa andron’ny Diniky ny samy Malagasy notontosaina teny Ivandry sy teny Ankatso ny 29 febroary sy 01 martsa 2012.
Tsy nidilatra tamin’izay soso-kevitra nivoitra tamin’ireo kabary fanokafana nandraisan’ireo solontenan’ny Faritra 22 izany rehetra izany. Sori-dalana vaovao iarahana amin’ireo avy any amin’ny Faritra 22 rahateo no heverina fa harafitra amin’izany. Fitondrana tetezamita tsy miandany ary hiaraha-mitantana vaovao no heverina hatsangana ka mialoha izany dia haverina amin’ny miaramila toy ny tamin’ny nataon’ny Filoha Ravalomanana tamin’ny 2009 aloha ny fitondrana ka izy ireo indray no hanolotra izany ho an’ny sivily izay hitany fa hahavita hitondra ny tena tetezamita izay tsy hihoatra ny 12 volana ny faharetany.
Alaina avy amin’ny “Grand corps de l’Etat” na mpiasam-panjakana ambony ny lehiben’ny governemanta. Noheverin’ireo mpizaika tao amin’ity dinika ity koa ny tokony hanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka vaovao ka na ho fanjakana tokana na fanjakana federaly no holaniana mandritra izany. Ny filoha hitantana izany dia aorian’ny fifidianana vao ho fantatra na ho iza na iza. Dia manaraka ao amin’izany ny fifidianana izay tokony iarahana amin’ny vondrona iraisam-pirenena. Ilaina ihany koa, hoy ireo nizaika tamin’ity dinika ity ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ka tokony ho ireo filoha telo voafidim-bahoaka sy ny filohan’ny tetezamita ankehitriny no hitarika izany. Izany dia midika, hoy ny fanamarihana fa takiana ny fiverenan’ireo sesitany politika sy ny famoahana ireo gadra politika rehetra tsy an-kanavaka na sivily na miaramila.
Mikasika ity farany dia noheverin’ny dinika ihany koa ny hamerenana ny “assise” ho an-dry zareo ka ialany ao anatin’izany ny resaka politika fa ny miaramila tsy tokony hanao politika. Marihina fa ny Me Olàlà (Razafinjatovo Willy) notronin-dry Levelo Boniface sy Patrick Zakariasy no namaky ity fehin-kevitra ity teny amin’ny Villa Elisabeth Ivandry omaly hariva. Mpanolotra sy mpitantana hatrany moa ny Pr Rajaonarivelo Paul. Mbola hisy, hoy izy, ny fananganana ny “Comité de rédaction” handrafitra an-tsoratra ireo tapaka ireo mba tsy hisy ho latsaka ny hevitra naposaky ny mpizaika ary hatolotra ny SADC araka ny fangatahan’izy ireo koa izany rehefa vita. Misy sahady no miahiahy sao hampandamoka ny sori-dalana efa niaraha-nanaiky ary nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary an-dalam-pampiharana ny fananganana sori-dalana vaovao nivoitra tamin’iny Diniky ny samy Malagasy iny. Sao mba tafiditra anaty vovon’ny FAT izay manao ny tsy hampiharana ny tondrozotra ireo mpizaika, ka hanitatra ny krizy indray. Ny fanontaniana mipetraka koa eto dia ny hoe inona no hery fampiharana izay sori-dalana hivoaka eo ? Sa efa voaresaka ka vonona amin’izany ny miaramila ?
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.