Politique

Diniky ny roa tonta Lava tanana i Frantsa ?


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2012

Araka ny resaka re tetsy sy teroa tamin’ny faran’ny herinandro teo dia mety hotanterahana ato anatin’ny herinandro ny fihaonana manaraka eo amin’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, ary mety mbola ho atsy amin’ny nosy Seychelles ihany no hanatontosana izany.

 Ny fihaonana voalohany moa dia efa tany no notanterahana. Mipetraka ihany ny fontaniana hoe nahoana moa no tsy maintsy any Seychelles no mihaona i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ? Inona ny antony naharesy lahatra ny SADC hisafidy io Nosy io ? Tsy misy ny valiny ofisialy momba izany, ary tsy hisy mihitsy satria manjavozavo foana matetika ny resaka diplaomasia sy fifandraisana iraisam-pirenena. Fa na izany aza dia nisy ihany ny fikarohana sy fanadihadiana natao, ka teo no nahafantarana fa mety misy antony stratejika manokana mihitsy, ny nisafidianana ny nosy Seychelles hampiantrano ny fifanatrehan’ireo fototry ny olana nahatonga ny krizy teto Madagasikara.

Araka ny fanangonam-baovao natao dia anisan’ireo firenena maniry mafy ny hahazo toeran’ny mpikambana, ao amin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana ny nosy Seychelles. Ka mety izay ny antony mampanezaka mafy ny mpitondra ao amin’ity nosy ity hampiantrano ny dinika hikaroham-bahaolana, hamahana ny krizy Malagasy. Tsara homarihana fa i Afrika Atsimo ihany koa dia mikatsaka mafy io toerana ao amin’ny filankevim-plaminan’ny Firenena Mikambana io, ary efa ho telo taona izao no nanao "Lobbying", fandresen-dahatra, tetsy sy teroa ny filoha Jacob Zuma sy mpiara-miasa aminy, mba hahatanteraka izany. Mifanindran-dalana amin’izany rehetra izany dia miasa mangina any ambadika any ny Frantsay, izay firenena matanjaka mpikambana ao amin’ny G8, ary mpikambana maharitra ao amin’ny filankevi-pilaminan’ny firenena mikambana. Miasa mafy ny diplaomasia Frantsay aty amin’ny ranomasimbe Indiana mba hiarovana ny tombontsoan’i Frantsa. Ny nosy Seychelles ankehitriny no mitarika ny COI na vaomieran’ny ranomasimbe Indiana, anisan’ireo fikambanana fehezin’ny Frantsay, ka asa indray izay ho akon’izany amin’ny fihaonan’ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT