Resadresaka sy fifanakalozan-kevitra no tena nisongadina nandritra ny dian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Singapour.
Namelabelatra ny zavatra azo atao sy hidiran’ireo mpandraharaha Aziatika eto Madagasikara ny filoha omaly nandritra ilay hetsika « Madagascar Singapore Business Forum » ka nanome toky fa harovana ny fampiasam-bola vahiny ho avy eto Madagasikara. Nisy ny fanasoniavana antontan-kevitra momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Singapour ka sehatra tafiditra ao ny toekarena, fampianarana, fampiroboroboroana ny orinasa madinika sy salantsalany. Tsy mikatona tanteraka fa mbola azo hatsaraina ity antontan-kevitra ity raha araka ny fantatra. Voalaza ao, ohatra, fa manana tany mirefy 18 tapitrisa hektara azo ampiasaina amin’ny resaka fambolena i Madagasikara, manana rano azo hamokarana angovo hatramin’ny 7800 MW. Voaresaka koa ny fanamboaran-dalana sy ny mahakasika ny lamba. Somary nanaitra ny nahitana tao anatin’ilay antontan-kevitra fa mbola manana tany 18 tapitrisa Ha azo ambolena i Madagasikara satria tahaka ny manamarina ny filazana fa tena manohy hatrany ny famarotana tany amin’ny vahiny mba ho fitadiavam-bola ny mpitondra Malagasy ankehitriny fa mety resa-be fotsiny ny ankoatr’izay. Anisan’ny nanara-dia ny filoha Rajaonarimampianina tany Singapour ny minisi-panjakana Narson Rafidimanana sy ny tale jeneralin’ny Bianco Louis Andriamifidy. Nitsidika ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ao Singapour moa ny delegasionina Malagasy nandritra izao dia izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.