Navoakan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo ny zoma teo tamin’ny alalan’ny fizarana antontan-taratasy tamin’ny mpanao gazety ny tena zava-nisy ofisialy tamin’ny dinika nampanantsoin’ny Troika ny ankolafy Malagasy farany teo.
Samy nanana ny ora nandraisana azy ny tsirairay tany, hoy izy, ka izahay dia nipetraka ho mpanara-maso fotsiny. Tany, hoy ihany izy, dia ny tondrozotra no tsy maintsy narahina ary izahay dia nahazo fanasana manokana no antony nandehanana tany.
Raha ny eo amin'ny fodian-dRavalomanana Marc dia mahazo miditra izy fa ny lalàna mifehy ny Malagasy no ampiharina rehefa tonga eto izy. Hampiharina ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-20 izay milaza fa ireo gadra sesitany dia afaka miditra eto an-tanindrazana. Ary rehefa miditra izy dia ny fanjakana Malagasy indray no mandray an-tanana ny rehetra fa tsy misy hidiran'ny Troika sy ny SADC intsony ny raharaha ary na ny daty hodiany dia ny eto Madagasikara no mandinika azy ary samy manome ny soso-keviny ny rehetra fa ny datin'ny 29 febroary dia io no daty farany tsy maintsy handaniana ireo lalàna samihafa hananganana ny CENI ary ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena ary mila ny CT sy ny CST handany ireo rehetra ireo satria miainga any amin'ny Parlemanta ny asa.
Ny handehanana any New York indray dia ny handinihana ny rahaharaha misy eto Madagasikara ary eo koa ny Filankevitry ny filaminana sy ny fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina. Eo amin'ny fihaonana an-tampony afrikanina indray dia tsy mandray anjara ny Malagasy fa mpanara-maso fotsiny. Tokony hotanterahina haingana ny fifidianana fa mijaly ny vahoka malagasy satria efa lava loatra izay telo taona tao anatin'ny krizy izay, hoy i Pierrot Rajaonarivelo ary mangataka ny fanampian'ireo mpamatsy vola toy ny Vondrona Eoropeanina, Banky iraisam-pirenena... isika.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.