Politique

Dinika politika Vondrona Eoropeanina Tsy misy azo antenaina


  • Alakamisy 17 Martsa 2016

Hitohy anio any Tolagnaro ny dinika politika nasionaly iarahan’ny vondrona eoropeanina sy ny governemanta malagasy.

 

Raha ny fihaonana farany natao tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho Anglisy tetsy Ivandry aloha dia ny tsy mbola fitsanganan’ny fitsarana Avo na ny Haute Cour de Justice sy ny ady amin’ny kolikoly ary ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana no tena nasian’Atoa Antonio Benedito Sanchez, masoivohon’ny Vondrona eoropeanina fanamarihana mba ahafahana miroso amin’ny famoahana ny andiany faharoa amin’ny ampaham-bola fanampiana an’i Madagasikara avy amin’ity vondrona ity. Taorian’izay fihaonana farany izay dia ny fivoahan’ny praiminisitra tany Frantsa izay nanasa mpampiasa vola vahiny vaovao hampiasa ny volany eto Madagasikara toy ny fikambanana Dangote izay mbola sahirana anefa amin’ny raharaham-pitsarana mahazo ny tale jeneraliny any Sonegaly, sy ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Madagasikra sy Maorisy izay vao nosoniavin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery tany an-toerana farany teo no tena vaovao nisongadina. Ity fifanarahana tamin’ny fanjakana morisianina ity anefa dia efa maha be resaka sahady satria maro ny fanakianana nahazo ny filoham-pirenena izay tsy naka ny hevitry ny parlemantera raha araka ny fijerin’ny mpahay toekarena sasany. « Manahy izahay fa tsy voatsinjo ny tombontsoan’i Madagasikara amin’ity fifanarahana miaraka amin’ny maorisianina ity », hoy atoa Olijaona Rabaonarijaona, mpitarika ny Emergency Madagascar tamin’ny haino aman-jery iray teto an-drenivohitra. Raha izay dingana vita izay no jerena dia tsy mbola hita izay nahafa-po ny Vondrona eoropeanina ka mety hampiova hevitra azy. Ity Vondrona ity koa moa izay tsy takona afenina ny olana mianjady aminy ankehitriny amin’ny fandraisana ireo mpitsoa-ponenana any amin’ny taniny avy any eoropa any.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT