Politique

Dinika momba ny lalàmpanorenana Misy antoko sy vovonana politika nahilika ?


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Anisan’ireo tsy mbola naharay ny fanasany hatramin’ny omaly hanatrika ilay dinika momba ny lalàmpanorenana hotontosaina anio hariva etsy amin’ny Carlton Anosy ny avy eo anivon’ny antoko politika Kintana tarihin’i Tabera Randriamanantsoa, raha ny fanazavany.

 Na ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CRN izay lasa tarihiny ankehitriny ihany koa aza tsy naharay. Izahay anefa vonona handray anjara amin’io dinika io satria efa nilaza foana fa mandeha ila io lalàmpanorenana ankehitriny io ary antony nilana ny ravin-dalana. Lalàmpanorenana ho an’ny fampihavanam-pirenena no ilaina, hoy izy. Tsy ny andininy faha-47 mikasika ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena ihany no misy olana fa nampiady hevitra be koa ny andininy faha-54 mikasika ny nanendrena ny praiminisitra. Ny adihevitra momba ny lalàmpanorenana eken’ny rehetra mihitsy no tadiavinay, hoy izy, ary tolokevitray ny hanolotra ny lalàmpanorenan’ny federalisma. Tsy naharay fanasana koa raha ny fantatra omaly ny avy eo anivon’ny DFP na dinika ho fanavotam-pirenena.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT