Hotontosaina anio alarobia 27 febroary 2019 hariva etsy amin’ny Arrupe Faravohitra ny famelabelaran-kevitra arahana adihevitra momba ny fampihavanana izay karakarain’ny filankevitra momba izany na CFM.
« Soatoavina malagasy sy fanorenana ary fananganana indray ny firenena sy repoblika » moa no lohateny hifotorana ka ny profesora Rafolo Andrianaivoarivony no hanazava ny fototra iorenana sy ny andry iankinan’ny atao hoe soatoavina malagasy. Ny dokotera Victorine Razanabahiny kosa no hanazava ny fipetrak’izay soatoavina Malagasy izay manoloana ny fivoarana sy ny fanatontoloana. Adidin’ny CFM, hoy ny filoha lefitra, Gerard Ramamimampionona, anisan’ireo mpikarakara no mamerina izay soatoavina sy fihavanana izay indray any am-pon’ny vahoaka Malagasy ary ezahana atao matetika ny hetsika toy ity izay azo lazaina hoe sambany. Nasaina hanatrika azy ity ankoatr’ireo mpikamban’ny CFM ny avy eo amin’ny akademia malagasy, ny mpikaroka sy mpianatry ny oniversite, ireo solontena isam-paritra, ny raiamandreny ara-pinoana sy ara-drazana, ny mpanakanto, ny fiarahamonim-pirenena, ireo sendika, izany hoe saika ny rehetra fa anisan’ny nomarihan’ny CFM kosa ireo mpitondra sy ny mpitandro filaminana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.