Politique

Dinika ho fanavotam-pirenena Matoky fa hirodana ny fitondrana


  • Zoma 02 Desambra 2016

Miandry ny fanangonan-tsonia amin’ny mpiray tanindrazana manerana ny nosy izay hataon’ilay vondrona politika dinika ho fanavotam-pirenena na ny DFP sisa ny fianakaviambe iraisam-pirenena, raha ny fanazavan’ity vondrona ity tetsy amin’ny espace dera etsy Tsiadana omaly,

 

 dia matoky fa hahomby ny tolon’izy ireo ary hiova tsy ho ela ny fitondrana misy eto amin’ny firenena. Matoa, hoy izy ireo, niongana ny filoha Ratsiraka ny taona 1991 dia satria nanaiky izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny frantsay. Toy izany koa ny zava-nitranga tamin’ny taona 1996 raha nogiazan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ilay antsoina hoe « financement parallèle » ny profesora Zafy Albert. Matoa koa, hoy izy, nitranga ny raharaha 2009 dia nisy fanagiazana nataon’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny FMI tao. Matoa nisy koa ny « ni…ni » tamin’ny 2013 dia noho ny zava-nisy tamin’ny 2009 neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa fanonganam-panjakana.

Efa mandray ny andraikiny ny vondrona eoropeanina

Efa mandray ny andraikiny ny vondrona eoropeanina, hoy ny filohan’ity vondrona ity, Tolojanahary Maharavo, ary porofon’izany ny tsy nahafahantsika nigoka ny tombony tokony ho azo tamin’ny FED andiany faha-10 izay tokony ho azo ny taona 2014 teo saingy votsotra izany noho ny raharaha 2009. 3 taona tsy hiafaran’ny FED andiany faha-11 isika izao kanefa dia 30 tapitrisa euro amin’ilay 540 tapitrisa euros anjaran’i Madagasikara ao anatin’ity tolotra ity ho an’ny taona 2017-2018 no homen’ny vondrona eoropeanina raha manaja fepetra ny fitondrantsika. Ny taona 2014 ka hatramin’ny taona 2020 moa ity FED andiany faha-11 ity ary efa mahita ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenentsika izany ny sehatra iraisam-pirenena matoa manao fanagiazana toy izany saingy miandry antsika handray andraikitra.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT