Ny 1 desambra teo ka hatramin’ny faran’ny volana janoary 2018 no fe-potoana sisa ahafahan’ireo olom-pirenena afaka mifidy manamarina sy mametraka ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny vovonana politika Dinika ho fanavotam-pirenena na DFP tetsy amin’ny Au Bon accueil Ambatonakanga omaly.
Ny 15 aprily 2018 dia tsy azo kitihina intsony ny lisitra. Raha ny fahafantaran’ny olom-pirenena ny mikasika ny azony atao rehetra ankoatra ny mandeha mifidy anefa, hoy izy ireo, mbola ankavitsiana no mahalala izany. Mila fantarina, ohatra, ny fepetra antony andavana ny filatsahan-kofidian’ny kandida iray sy ny sazy tokony hampiharina amin’ny kandida mihoa-pefy. Tsy maintsy hihazakazahana ny fanabeazana mikasika azy io satria antomotra ny fotoana ary efa misokatra ny lisitra elektronika nefa mbola betsaka ny olom-pirenena tsy ao anatiny. Efa manomboka manangana vovonana manokana isam-paritra hiandraikitra izany moa izy ireo, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.