Toy ny mahazatra dia mivantambatana hatrany ny fanehoan-kevitry ny avy eo anivon’ny vovonana politika Dinika ho Fanavotam-Pirenena mikasika ny fahitan’izy ireo ny toe-draharaha nkehitriny taorian’ny fotoana elaela nahanginany.
Efa tamin’ny taona 2016 izahay, hoy ny filohan’ny DFP, Tolojanahary Maharavo na Doudou, no niantso fifampidinihana fa nodiana fanina. Ny taona 2014 ihany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena no efa tsy nankato io lalàmpanorenana iainana ankehitriny io. Rahampitso (TTF: Anio) ny fitondram-panjakana vao hoe hanao dinika momban’ny lalam-panorenana ao amin’ny Carlton Anosy. Tetika hanemorana ny fifidianana io aminay, hoy ity vovonana ity, entina hanodinana ny saim-bahoaka indray fa tsy raharahian’ny fanjakana ny vondrona iraisam-pirenena efa nanome 12 tapitrisa dolara hanomanana ny fifidianana. Izany rehetra izany no tsy nampirotsaka hatramin’izao ny famatsiam-bola iraisam-pirenena na dia niheboeboana fatratra aza fa hoe ho avy ny 10 miliara dolara nandritry ny fihaonamben’ny mpamatsy vola tany Parisy tamin’ny desambra 2016. Efa miova ankehitriny ny toe-draharaha satria ny mahamaika ny vahoaka dia ny hanana filoha mendrika ny safidiny ka ny DFP dia hanana kandida ho filoham-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.