Politique

Dinika ho fanavotam-pirenena Ala nenina farany ho an’ny Filoha


  • Alakamisy 28 Jolay 2016

Miray feo avokoa izao ireo hery velona matanjaka rehetra eto amin’ny firenena mamaky bantsilana ny hadalan’ny fitondrana HVM

. Nafana dia nafana omaly ny resaka teny amin’ny Panorama Andrainarivo nataon’ny “Dinika ho fanavotam-pirenena”. Voatanisa tao avokoa ireo tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajaonarimampianina sy ny tsy fahaizany mamaha ny olana ara-tsosialy sy ara-politika eto amin’ny firenena. Mbola azo atao anefa ny mifampiresaka ary tena ala nenina farany izao atao izao, hoy ny kabary nifandimbiasana omaly.

Ala nenina

Nisy moa ny fanambarana miezinezina niarahan’ny avy eo anivon’ireo hetsika sendikaly sy ny fiaraha-mientan’ny kristianina ary ny hetsiky ny mpanao gazety izay navondrona tao anatin’ity hetsika vaovao ity niantefa tany amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nomarihin’izy ireo fa ala-nenina farany, izany hoe, antso farany ity, atao ny filoham-pirenena mba tena hiroso tokoa amin’ny fifampiresahana an-databatra boribory hikaroham-bahaolana mahomby sy maharitra. Antony, raha ny voalaza tao anatin’ilay fanambarana, dia tsy nivaly hatramin’izao ny fitoriana nataon’ny afo sendikaly efa-bolana lasa mikasika ny kolikoly ataon’ny mpitondra fanjakana maro. Maro  be ny fanamelohana nihatra tamin’ny fitondrana mikasika ny tsy fanajana ny zon’olombelona, ny tsy fahalalahana niteny sy ny endrika tsy fahaiza-mitantana isan-karazany. Tao anatin’ny roa taona sy tapany ihany koa dia saika efa nanao fihetsiketsehana avokoa ny ankamaroan’ireo sampandraharaham-panjakana misy eto amintsika. Matimaty foana toy ny any amin’ny tany tsy misy fanjakana, hoy izy ireo, ny Malagasy raha tsy hilaza afa tsy ny tranga nisy tany Beroroha sy ny tetsy Mahamasina kanefa tsy hita izay fepetra matotra noraisin’ny fitondram-panjakana kanefa mailaka ery rehefa handrava ny hetsik’ireo sahy mijoro amin’ny fanoherana ny tsy rariny mitranga eto amin’ny firenena. Efa manongana ny tenany fa tsy mila aongana intsony, hoy izy ireo, ny filoham-pirenena. Anisan’ny tazana teny amin’ny Panorama omaly ny mpanao politika tahaka an-dry Jean Omer Beriziky, Sylvain Rabetsaroana, Lanto Rakotomavo, Ny jeneraly Desiré Ramakavelo, Lalatiana Ravololomanana, ny Pastera Edouard Tsarahame, Alain Ramaroson, Ratefinanahary Emile sy ny maro hafa koa.

Faralahimatoa   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT