Hitondra fanavotana sa fandetehana ny firenena ny fahatongavan’ny filoham-pirenena tiorka eto ?
Io no fanontaniana lehibe napetraky ny eo anivon’ny vondrona politika Dinika ho amin’ny Fanavotam-Pirenena (DFP) omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tonga tetsy Ambohipo. Mafampana ny politika sy ny fomba fampiharan’ity mpitondra vahiny ity ny lalàna any aminy, hoy izy ireo. Ny mpitondrantsika ihany koa dia nanaporofo fa tsy nahitam-bokany ny fifampiraharahana natao tato ho ato. Vita iny ny Comesa sy ny frankofonia fa nanatsara zavatra ve ? Teo koa ny fikaonan-dohan’ny mpamatsy vola kanefa tsy hita hatramin’izao izay vahaolana nentiny. Inona no hoentin’ity filoha tiorka ity rehefa tsy nahomby ny fifanarahana ara diplomatika hatramin’izay ? Tokony hiaiky fa tsy mahavita irery intsony ary mila miantso fiaraha-midinika faran’izay haingana ny fitondrana mba hahafahana mamolavola fiaraha-mitantana hamonjena izao firenena izao, hoy ny fanamarihan’ity vondrona ity. Efa halohalika ny ranombary ary hiaraha-mahita ny hain-tany ka zava-doza no hiafarany raha izao no mitohy, hoy izy ireo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.