Politique

Dinika fampihavanan’ny FFKM Savaranonandon’ny “Conférence au sommet” ?


  • Alarobia 17 Aprily 2013


 Vaovao anisan’ny mitana ny sain’ny maro ary fototry ny adihevitry ny mpanao politika sy ny olon-tsotra ny ho vokatry ny dinika fampihavanana hotarihin’ny FFKM, hatao eny amin’ny CCI Ivato rahampitso 18 aprily. Niala tany Parisy Frantsa handray anjara amin’io fihaonana io mihitsy ny amiraly Didier Ratsiraka. Voaresaka tetsy amin’ny Magro Behoririka ihany koa io omaly, ka nanaovan-dRaveloson Constant fanamarihana fa tsy zanak’ikalahafa akory i Marc Ravalomanana ka antsoy hivory amin’ny dinika fampihavanana tarihin’ny FFKM ny 18 aprily io. “Efa eto an-toerana ny telo ka aza avela ho irery ny iray mba tsy hisian’ny fitongilanana”, hoy hatrany Raveloson Constant. Diniky ny efa-tonta fototry ny krizy avy hatrany no mby ao an-tsain’ny maro, ka mihevitra ity fampihaonana hatao eny Ivato ity ho savaranonandon’izany “Conférence au sommet” izany. Etsy ankilan’izay dia milaza Raveloson Constant fa mitohy hatrany ny tolona, raha tsy mbola miteny ny filoha Marc Ravalomanana hoe : “tapitra ny tolona” na hoe “tsy hody intsony aho”.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT