Vita omaly tontolo andro ny fankan-kevitra tao Toamasina mikasika ny dinika fampihavanana karakarain’ny FFKM.
Takian’Andriamanitra amintsika ny fieken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana, ho antoky ny filaminana maharitra sy fampandrosoana ary fitoniana ara-tsosialy sy ara-politika, hoy ny Mompera Stéphan, mpitarika ny FFKM Toamasina nandritra ny fanokafana. Nomarihiny fa mijanona ho mpampihavana sy mpitarika ary mpanelanelana fotsiny ny FFKM fa ireo mpandray anjara no miady hevitra sy mitondra ny vahaolana amin’izany. Raha ny fehin-kevitra nivoaka omaly notapahan’ireo mpizaika an-jatony tao Toamasina, dia mirona mankany amin’ny fandravana ny tetezamita misy ankehitriny, ka hananganana tetezamita vaovao hifanarahana sy hametrahana fe-potoana voafaritra mialoha ary hametrahana governemanta tena hifanarahana sy ahitana ny vondrona politika rehetra ary tsy andraisan’ny mpitandro ny filaminana sy ny tafika anjara afa-tsy ny mahakasika azy ihany. Fametrahana praiminisitra tena tompom-pahefana sy mahatapaka. Eo koa ny fanemorana ny datim-pifidianana, ny fanaovana fifidianana lalampanorenana tena hifanarahan’ny rehetra… Ankoatra izay dia voafidy koa ireo solontena efatra hisolo ireo mpivory hiatrika ny fivoriana faharoa karakarain’ny FFKM Foibe eto Antananarivo ny 2, 3, 4 mey ho avy izao, ka ny iray avy amin’ny FFKM Toamasina dia ny Révérend Rakotovao Benja, ny telo avy amin’ny mpizaika kosa Andriamatoa isany Kalo Narcisse sy Talata Victor ary Rabeson Brudo.
Rakoutou
Hoy izy ireo…
Lahady Samuel (Governora teo aloha) : Tena zava-dehibe loatra izao finiavana teo amin’ny FFKM izao na betsaka aza ny mpanakiana azy. Ny fanontaniana fotsiny dia nahoana no izao vao nifoha tamin’ny torimasosiny ireo filoham-piangonana taorian’ny fangahatan’ny Malagasy taminy ? Mila azy ireo ny Malagasy mahantra, mila ny fampihavanana ataony koa ny firenena Malagasy latsaka an-katerena.
Alain Mahavimbina (GAR) : Miorina amin’ny fihavanana ny fiaharamonina Malagasy. Noho izany, zava-dehibe ny fiaraha-midinika sy ny fampiharana izany eo amin’ny samy mpanao politika izay nahatonga ny olan’ny firenena. Hirindra mantsy ny fiarahamonina ara-politika Malagasy raha voafehy ity fihavanana ity. Amiko ary efa foto-kevitray GAR ihany koa fa tsy misy maharatsy azy izao hetsiky ny FFKM izao, satria soatoviana nohadinoina ny fampihavanana sy ny fihavanana ka tsy mahagaga raha mitarazoka ny krizy.
Leriva Manahirana (Ankolafy Ravalomanana): Efa ela no nitakian’ny ankolafy Ravalomanana ny hetsiky ny FFKM hanao ny diniky fampihavanana tahaka izao. Aminay anefa, dia tsy misy filaminana izany eto raha mbola misy ny fanilihana olona, mbola sakanana ny fampodiana filoham-pirenena an-tanindrazany. Ny firariana dia tena hampiharina an-tsakany sy an-davany eo amin’ny fanandaminana ny firenena ny dinika tahaka izao fa tsy atao tahaka ny tondrozotra, misy jerena sy ampiharina, ao kosa ireo ailika sy atao tsy fantatra ny fisiany.
Indray Grégoire (Mpampianatra mpikaroka) : Efa notakiana tamin’ny FFKM ao anatin’ny tondrozotra izao diniky ny samy Malagasy izao, nefa aleo somary tara mba afaka mandinika tsara ny tsirairay toy izay tsy nisy fa samy hotsarain’ny tantara teto isika mianakavy. Ny tena mahazendana ahy fotsiny izao dia ity kandida marobe ity. Latsa-danja ny hasin’ny filoham-pirenena, very hasina ny Repoblika. Efa tsy taratry ny demokrasia izao, fa taratry ny tsy fahatongan-tsain’ny mpanao politika kosa, ka ho hitantsika eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.