Niavaka raha samy andro nanatanterahana tolona nandritra izay telo taona teny an-kianja izay ny niseho tao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 21 jolay teo.
Nibahan-toerana tamin’ny hetsika natao mantsy ny fanompoam-pivavahana notarihan’ny Vondrom-bavaka teny an-toerana fa tsy fohifohy toy ny mahazatra isan’andro izy io fa naharitra teo amin’ny manodidina ny ora iray teo. Fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana, vavaka manokana ho an’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fiverenany an-tanindrazana ary ny ho fahombiazan’ny dinika hataon’ny roa tonta any Seychelles amin’ny fiandohan’ity herinandro ity sy tso-drano ho an’izay voatendry ho anisan’ny delegasiona handeha ho avy no natao tamin’izany.
Niavaka indrindra anefa ny ranom-bavaky ny mpino nanaovan’ireo mpitari-tolona vavaka tora-po tsy nisy fiambakavakana na kely aza, toy ny nataon’ny Me Hanitra Razafimanantsoa sy Sazalahy Tsianihy … ka nampiaiky volana ireo mpitarika avy ao amin’ny vondrom-bavaka fa «tena mivavaka ny Zanak’i Dada». Ny rakitra natao mba ho fampandrosoana ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra ataon’ireto mpikambana ao amin’ny Vodrom-bavaka ireto izay tonga hatrany amin’ny faritra alavitra manodidina an’Antananarivo isan’andro ankoatra ny asa atao eo amin’ny Magro dia nanaporofo fa tsy sandaina vola izany ireo mpitolona mitaky ny famerenana ny ara-dalàna eny amin’ity kianja ity fa mahafoy kosa aza ny kely ananany any aminy any ho fampanjakana ny fahamarinana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.