Politique

Dinika any Seychelles Asafotofoton’ny Frantsay


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Mifamahofaho be ihany ny vaovao manodidina ny fihaonana eo amin’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina tanterahina any Desroches Seychelles hatramin’ny talata 24 jolay teo.

 Mpampiantrano ihany ny Seiseloa, fa ny SADC no tompon’antoka amin’ny fampihaonana. Namepetra ny andaniny sy ny ankilany tsy hamoaka mialoha izay zavatra ifampidinihana anefa ny SADC fa dia ity farany ihany no manao fampitam-baovao ofisialy. Mihidy tanteraka ny loharanom-baovao, tsy misy resaka mipika, fa dia ry zareo Frantsay no mahita volana alohan’i Biby (Habib), araka ny oha-pitenenana Malagasy izay, ary mampisafotofoto ny vaovao mivoaka.

Omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro mantsy dia nitatitra ny AFP (Agence France Presse) fa dia efa niala tao Seychelles tamin’ny 11 ora, ora iraisam-pirenena, i Andry Rajoelina ary nitodi-doha nihazo an’i Madagasikara. Notateriny fa dia nanamafy izany ny «Aviation Civile Seychelloise», misahana ny fifamoivoizana ana habakabaka any Seychelles, ary nohamafisina loharanom-baovao akaiky ny governemanta any an-toerana. Nampian’ny AFP fa mbola any Desroches Atoa Marc Ravalomanana, saingy hiala ao Seychelles ny alakamisy (anio) handray zotram-piaramanidina hihazo an’i Afrika Atsimo. Ny filoha afrikanina tatsimo sady filohan’ny Troïka-SADC, Jacob Zuma sy ny filoha seiseloia sady filoha am-perinasan’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina, James Michel, izay niatrika ny fihaonana teo amin’ny roa tonta kosa, dia ny alarobia (omaly) hariva ihany no niverina ao Mahé.

Nandrasana ihany hatramin’ny misasak’alina fa tsy tonga an-tanindrazana izany i Andry Rajoelina. Fotoana fohy taorian’izay dia nandiso io vaovao navoakan’ny AFP io i Amanda Hunt, mpitondra tenin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny seiseloa ka nilaza fa mbola ao Seychelles ny filohan’ny FAT, na dia tsy nanome fanampim-baovao mihoatra izay aza. Ny RFI (Radio France Internationale) tao anatin’ny vaovaony “Afrique soir”, tamin’ny sivy sy sasany alina ora eto Madagasikara, koa dia nilaza fa mitohy ny diniky roa tonta any Seychelles, saingy tsy misy mipika izany, ka dia andrasana ny fampitam-baovaon’ny SADC. Mandra-piandry izay anefa dia efa niparitaka tamin’ny aterineto hatry ny alina fa higadona eny Ivato anio alakamisy amin’ny misandratr’andro ny fiaramanidina mitondra ny filohan’ny tetezamita. Misafotofoto ny vaovao manodidina ity dinika any Seychelles ity. Ny hany mazava dia ny hoe manana hatramin’ny 31 jolay Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, hifanarahana. Raha sanatria ka mitsefotra ny dinika dia efa nampitandrina ny SADC fa dia tsy hiraharaha na koa hankato izay rangory fototry ny tsy fahombiazana eo.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Andry Rajoelina – James Michel – Marc Ravalomanana niray latabatra tao Desroches ny talata 24 jolay 2012

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT