Nataon’ny fitondrana fialan-tsiny ny fankalazana ny faha 57 taona niverenan’ny fahaleovantena mba hanakanana izay fihetsiketsehana an-dalam-be manana endrika politika rehetra nandritra ny volana jona,
kanefa ny fihaonambem-pirenena nataon’ny HVM, antokon’ny filoha, dia nitarika fivoriam-bahoaka maro be ny 17 jona, tany Toliara. Tsy fantatra hoe alalana avy amin’iza no nahazoany nanao izany, hoy SeFaFi (Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena). Nisongadina ny finiavana handrara izay fihetsiketsehana rehetra tondroin’ny fitondrana ho fanoherana, na dia izay natao tany anaty faritra mifefy tsy an’ny fanjakana aza. Nolazaina ho anton’izany ny hisian’ny fanakorontana ny filaminam-bahoaka. Isan’ireny ny fankalazana ny faha-15 taon’ny antoko TIM ny 8 jolay 2017. Neken’ny primatiora ny fangatahana kanefa nolavina avy eo, ka na efa nandresy tany amin’ny fitsarana momba ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana sy ny filan-kevi-panjakana aza dia tsy navela. Tetsy an-daniny, ny MLE (Hetsika ho an’ny Fahafahana maneho hevitra) dia nikarakara fihetsiketsehana mba hanamarihana ny faha-herintaonan’ny Lalànan’ny fifandraisana, izay notsarain’ny gazety malagasy sy ny fikambanana ary ny rafitra iraisam-pirenena ho famonoana fahafahana maneho hevitra nefa dia nosakanan’ny prefen’ny polisy. Tsy misy valaka amin’izay niainan’ny firenena tamin’ny 2001, 2003 sy 2005 izany, ka raisin’ny SeFaFi ho adidy ny mampahatsiahy, fanintelony amin’ity, ny hevitra narosony tao amin’ilay taratasy ho an’ny Prefen’ny Polisin’Antanananrivo tamin’ny 28 aprily 2001. Tsy ilaina ampahatsiahivina intsony fa ny zo hivory sy hanao fihetsiketsehana am-pilaminana ary ny fahafahana fototra hafa ho an’ny olona dia ampirisihan’ny Fifanekena iraisam-pirenena momba ny zon’ny vahoaka sy ny politika (and. 21) izay nankatoavin’i Madagasikara tamin’ny 1971, ary ny Lalàmpanorenana mihitsy (and. 10) no miaro azy ireny, hoy ny SeFaFi. Ny zo hivory am-pilaminana dia tsy azo tondroina avy hatrany ho miteraka fanakorontanana ny filaminam-bahoaka. Ary raha misy fivoriana am-pilaminana, na politika na sendikaly, tsy maintsy horarana, dia adidin’ny manam-pahefana ny manambara ny antony mazava nanaovany an’io fandrarana io. Na ahoana na ahoana dia andraikitry ny mpitandro ny filaminana, araka ny asa nankinin’ny Lalàmpanorenana taminy, ny miahy ny filaminam-bahoaka, rehefa mampiasa ny zony araka ny Lalàmpanorenana ny olom-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.