Na eo aza ny fandrisihan’ny mpiara-miombon’antoka amintsika, toy ny PNUD amin’ny fanatanterahana amin’ny hisian’ny fifampidinihana sy ny fifanarahan’ny samy mpanao politika mialoha ny fifidianana, dia tsy miraharaha izany ny fanjakana ankehitriny.
Mbola nanindry ireo mpanao politika ivelan’ny fitondrana nifampidinika teny amin’ny Hotely Colbert omaly, fa misisika handray fanapahan-kevitra tsy iombonan’ny rehetra ny antoko eo amin’ny fitondrana. Maro ireo lesoka sy ny fanitsakitsahana ny lalàna manan-kery, indrindra fa ny lalàmpanorenana. Eo ihany koa ny resaka namolavolana lalàm-pifidianana, izay tsy niarahan’ny rehetra saingy teren-ko masaka sy hatao izay haneken’ny rehetra azy. Tsy hitondra filaminana eto amin’ny firenena izany, ka manameloka sy mampitandrina ny fitondrana dieny izao izy ireo. Mitaky ny hisian’ny fifampidinihana hatrany amin’ny hiaraha-mamolavola ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo antoko politika sy ny herivelona maro. Manameloka marin-drano ny fanapahan-kevitra letrezana katsahina hatao eto amin’ny firenena. Takiana ihany koa ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra eto amin’ny firenena, ny fisian’ny antoko politika, ny fifampiresahana, dia mandatehezan’ny demokrasia. Mitaky hatrany ny hametrahana fitsipi-dalao mazava sy ny fanapahan-kevitra iraisana eto amin’ny firenena izy ireo. Mitsangana sy mivondrona ho vovonana herivelona hanohitra ny fanapahan-kevitra an-terisetra hoenti-mamotika ny firenena, ka tsy hijanona raha tsy tena mipetraka ny fifanarahana sy ny fitsipi-dalao mazava. Miha mahazo hery hatrany ity vondrona iaraisan’ny herivelona maro eto amin’ny firenena ity, saingy mbola minia bemarenina. Mikendry ny hanao letrezana sy hanatanteraka ny kajy malotony hatrany, saingy mino ve izy ireo fa hahomby izany, ary hanaiky lembenana ny maro an’isa efa mamondron-kery ? Efa naman’ny mangady lavaka hilevenana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.