Mafana ny toe-draharaha. Fotoana lavalava izao no tsy nisy filankevitry ny minisitra intsony. Marisarisa ny fifandraisana eo amin’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo.
Vao mainka mihenjan-droa ny tady taorian’ny nivoahan’ilay volavolana didy hitsivolana mandrindra ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny tetezamita aorian’ny fametraham-pialany, 60 andro alohan’ny fifidianana filoham-pirenena, noho izy kandida. Nanda marindrano ny handinihana azy io ny governemanta izay nanao filankevitra manokana omaly. Mihevitra ny governemanta fa tsy misy antony tokony handefasana io volavola io hodinihin’izy ireo, satria anatin’ny fivoriana ara-potoana ny Parlemanta izao ka ireto farany no tokony handinika izany. Tsy misy koa ny hamehana satria tsy mbola misy fahabangan-toerana eo, ary raha misy aza izany dia ny fitsarana avo momba lalàmpanorenana no tokony hamoaka didy na fanapahana manamafy fa banga tokoa ny toeran’ny filohan’ny tetezamita.
Hatreto anefa tsy misy izany, ka mihevitra ny governemanta fa diso fiantefa io volavola didy hitsivolana nalefa nodinihin’izy ireo io. Fahefana fenon’ny filohan’ny tetezamita izay misahana ny asan’ny filoham-panjakana anefa no mamoaka didy hitsivolana. Andraikitr’i Andry Rajoelina samirery raha ho sahy hamoaka azy io ny tenany nefa eo ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady ao anatin’ny fivoriana ara-potoana rahateo. Nivory ireo filoham-baomiera teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita omaly. Na tsy tratra aza ny fetr’isa dia efa nivoaka ny feo, fa tsy handinika volavolana didy hitsivolana izany izy ireo fa volavolan-dalàna ihany no raisiny sy dinihiny. Inona ary no hiseho ato anatin’ny herinandro farany mialoha ny fametraham-pialan’ireo kandida mpitondra fanjakana ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.