Ho an’ireo kaominina izay nodidian’ny fitsarana fa haverina ny fifidianana dia tsy miova ny fitantanana ao aminy aloha,
hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, raha nanazava ny mety ho tohin’ny raharaha mahakasika ny fifidianana kaominaly farany teo. Ity herinandro ity rahateo, amin’ny ankapobeny, no saika hanatontosana ireo famindram-pahefana momba izany. Mametraka ny lalàna fa 120 andro aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana no tokony hatao ny famerenana fifidianana, hoy izy. Tranga miseho anefa dia misy ireo izay mampiakatra fitsarana fandravana na “pourvois en cassation” eo anivon’ny filankevi-panjakana. Rehefa misy io dia mbola hisy didim-pitsarana mikasika ireo kaominina rehetra ireo. Ohatra ny nambaran’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana fa haverina ny fifidianana fa rehefa tonga eo amin’ny filankevi-panjakana dia mety hoe ity kandida ity no lany. Mandray ny asany indray amin’izay fotoana izay ilay lazaina fa lany. Misy indray mety hoe nambaran’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana fa lany kanefa miteny ny filankevitra fa averina ny fifidianana ao amin’ilay toerana satria misy tsy fahatomombanana sy tsy fanarahan-dalàna dia averina indray ilay fifidianana. Misy karazany maromaro, hoy hatrany izy, ireo didy mety mbola havoakan’ny filankevi-panjakana. Tsaratsara kokoa ny miandry ireo didy mbola hivoaka ireo vao manatontosa famerenana fifidianana amin’ny ampahany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.