“Efa tsy nety hatrany am-piandohana io làlampanorenana io, ary tamin’ny taona 2010 no efa niteny aho hoe tsy mety io. Ataovy aloha ny fampihavanam-pirenena vao miroso amin’ny fifidianana, saingy tsy nisy nihaino, dia izao iarahantsika mahita izao”, hoy ny Filoham-pirenena Didier Ratsiraka nandritra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona teny Iavoloha omaly. Efa nisy ny vaovao nivoaka momba ny haha kandinda filoham-pirenena azy amin’ity taona ity.
Nilaza kosa anefa ny amiraly, fa tsy vahaolana izany fa ataovy ny fampihavanam-pirenena aloha. Amiko izaho manokana dia misy fomba hafa hanaovana izany, fa any aoriana aho no miteny izany, hoy ny amiraly Ratsiraka. Miombon-kevitra amin’ny tokony hanitsiana na hanovana ny lalàmpanorenanana izany ny amiraly, saingy tsy mbola nilaza mazava kosa ny heviny hoe inona no ho kitihana , na ahitsy na ovaina mihitsy. Ny tsy azo lavina fotsiny, dia mahalala zavatra maro izy amin’ny maha filoha isan’ny ela indrindra nitantanana an’I Madagasikara azy, ary mety ho fanalahidin’ny olona sy sakana sasantsasany eto amin’ny firenena ihany koa, saingy izay angamba ilay hoe: miandry fotoana ny zava-drehetra. Zava-dehibe ny antsoavo nataony amin’ny hisian’ny fampihavanam-pirenena, kanefa ny filoha ankehitriny izay nilokaloka ny hanao izany aza io iaraha-mahalala io ny ataony. Vao mainka midingin-drambo sy toa miziriziry ny tsy hiresaka amin’ny hafa saingy tsy hay atsy aoriana rehefa mafy ny ady.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.