Namoaka ho fanta-bahoaka ny endrika tena izy an’ilay bileta tokana hampiasaina mandritra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny CENIT omaly. Nisy fiovana tsy araka ny endrika nampahafantarina voalohany izy io. Na izany aza tamin’ny ankapobeny tsy dia nametraka olana ireo kandida sy fikambanana na antoko nanolotra kandida. Tetsy an-kilany anefa dia re fa nisy iraky ny amiraly Ratsiraka Didier Ignace niangavy tamin-dry zareo CENIT raha azo atao ny manolo ny sarin’ity kandida ity ao amin’ilay bileta tokana, fa tsy dia azoazon’izy ireo loatra. Milaza an-kolaka izao fihetsika izao fa tsy hanala na hisintona ny filatsahan-kofidiany Ratsiraka Didier Ignace, fa hisedra latsa-bato, na eo aza ny fanerena ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ny tokony hisintahany miaraka amin’i Andry Rajoelina sy Lalao Ravalomanana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.