Politique

Didier Ratsiraka Nomem-boninahitra manokana


  • Sabotsy 19 Martsa 2016

Notsongain’ireo mpandraharaha sinoa tonga maro nirodorodo mandray anjara amin’ny andiany voalohany amin’ny hetsika ara-toekarena ASIA-OI tanterahina ny 17-20 martsa eny amin’ny toerana fanaovana fanampirantiana Forello Tanjombato ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka.

 

Mpandraharaha miisa 75 no mandray anjara amin’ity hetsika ity, ny 15 tamin’ireo, solontenan’izy ireo tarihin-Rtoa Luy Zhenzhen, filohan’ny AGCA (Association Générale Chine-Afrique) tonga nitsidika an’ny Amiraly Ratsiraka teny an-trano fonenany eny Faravohitra ny alakamisy teo. Nataon’izy ireo ho filoham-boninahitry ny fikambanana eto Madagasikara ny amiraly Ratsiraka, ka nohamafina tamin’ny fiaraha-misakafo hariva tao Hall de la Gare Soarano izany. Tsy tongatonga ho azy izany fa nanamarika ny fitondranan’i Didier Ratsiraka ny fiaraha-miasa tamin’ny Sinoa. Tandindon’izany ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, lalana Vatomandry-Mahanoro, ireo mpitsabo sinoa teny Mahitsy, Vatomandry … Tazana teny Soarano ihany koa izy roalahy filohan’ny Parlemanta malagasy dia i Honoré Rakotomanana sy Jean Max Rakotomamonjy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT