Politique

Didier Ratsiraka Nirary soa ny firenena


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Ho ela velona anie i Madagasikara ! Io no namaranan’ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, ny teniny raha namehy ny firariantsoan’ireo mpikatroka Arema tonga niarahaba sy nirary soa azy noho ny fahatrarana ny taona vaovao tetsy amin’ny trano fonenany etsy Faravohitra omaly.

Nohariny tamin’ny lalana nodiavin’ny zanak’Israely ao anaty baiboly moa ny fiainan’ny antoko tao anatin’izay 40 taona izay  ary dia tsy nisalasala izy nanao fanoharana fa nandalo tany efitra ihany sy fitsapana maro ihany koa ny antoko tao anatin’izay 40 taona izay kanefa dia afaka toy ny zanak’Israely ankehitriny.  6 andro, hoy ny tenany, no nanorenan’Andriamanitra izao tontolo izao ary niala sasatra izy ny andro faha-7. Misy dikany lehibe, toy ny tarehimarika 6 io ihany koa, hoy izy, ny tarehimarika  4 satria tany am-pahariana dia singa 4 dia ny tany, rano, rivotra ary afo no namelomana izao tontolo izao. Raha amin’ny andro ankehitriny kosa dia azo atao hoe tany, trano, jiro, asa izany. Mirary aho, hoy izy, mba samy hahazo ireo singa efatra ankehitriny ireo ny isam-batan’olona sy ny isan-tokonam-baravarana. Vao avy nidonam-pahoriana ny amiraly talohan’iny fotoana omaly iny ka dia nisafidy ny hampiato ny fanehoan-keviny mikasika ny raharaham-pirenena mandritry ny andro vitsivitsy aloha.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT