Politique

Didier Ratsiraka Miantso fifamelana


  • Zoma 25 Novambra 2011

Omaly alakamisy 24 novambra tamin'ny 11ora sy sasany no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny sidin'ny kaompania Corsair nampitohy an'i Mayotte tamin'Antananarivo ary nitondra ny amiraly Didier Ratsiraka sy ramatoa vadiny ary ireo zanany mirahavavy Sophie sy Olga Ratsiraka.

 Fihetsika hafa kely no nisantaran'ny amiraly ny fiverenany an-tanindrazana indray, satria vantany vao tafidina ny fiaramanidina izy dia nandohalika ka nanoroka ny tany ary mbola nampiseho tamin'ny rehetra fa matanjaka ny tenany tamin'ny fanaovana paompy 36 isa. Nitafa tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny «salon d'honneur» avy eo Atoa Didier Ratsiraka, ka nandritra izany no nilazany fa fotoan'ny fifamelan-keloka izao ary tsy misy tombontsoa azo amin'ny fifanenjehana sy famaliana faty izany. Nampatsiahiviny kely moa fa mailaka ery ny olona manonona ilay vavaka nampianarin'i Jesoa Kristy ny mpianany, dia ilay hoe Rainay izay any an-danitra...izay ahitana ilay fehezanteny manao hoe : mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.

Tsy tononona fotsiny izany fa ampiharina, hoy ny amiraly ka miantso ny rehetra izy mba hahay hamela heloka, avelao ny lasa homba ny lasa, hoy izy. Mikasika ilay hoe vahaolana ho an'ny firenena nampanantenainy kosa dia nilaza ny amiraly fa tsy mbola izao ny fotoana hanambarany izany fa mandritra ny fihaonana lehibe eo amin'ny mpanao politika rehetra tsy an-kanavaka ary ahitana ireo firehana rehetra. Nambarany moa fa tsy maintsy alefa mivantana amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny dinika, amin'izay vavolombelona mahita sy mandre ny zava-drehetra ny Malagasy fa tsy misy an-kiafina izany. Antso manokana ihany koa no nataony tamin’Atoa isany Zafy Albert, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, Richard Andriamanjato, Manandafy Rakotonirina, … mba hifanome tanana amin’ny fanarenana ny firenena. Momba ilay vola iray tapitrisa dolara hikarakarana ilay fihaonana an-tampony kosa, dia mazava ny tenin'Atoa Didier Ratsiraka fa tsy mbola any am-paosiny aloha io vola io, saingy vonona kosa izy ny hikaroka izany any ivelany raha toa ka tsy voaangona eto Madagasikara ilay izy.

Tsy adinon'ny mpanao gazety koa ny nanontany an’i Deba momba ny savorovoro mampizara ny antoko Arema. Raharahan-tokantranonay izany, hoy i Didier Ratsiraka ka aleo alaminay. Nohamafisiny kosa anefa fa efa nametra-pialana ingahy Pierrot Rajaonarivelo, izany hoe tsy Sekretera nasionalin'ny Arema intsony ka mila soloina. Ny mpanara-baovao politika dia mahatakatra tsara, taorian'ny fanambarana nataon'ny amiraly Ratsiraka izay fa tandindon'ny fiverenan'ingahy Ravalomanana ny fahatongavany omaly, ary tsy maintsy hisy ilay fihaonan'ireo filohan'ny ankolafy 4 eto Antananarivo, arahan’ny fihaonan’ireo mpanao politika rehetra sy ny fiarahamonim-pirenena ka mandritra izany no hanolotra soso-kevitra hamahana tanteraka ny krizy ny amiraly Ratsiraka. Tonga nitsena ny amiraly teny Ivato moa ireo kamarady Arema avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny Faritany, tazana teny koa ireo mpitarika ny ankolafy mpanohitra, nahitana ny Profesora Zafy Albert mivady, Tabera Randriamanantsoa, Miandrisoa Marcel, Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina, Rakotoamboa Jean Louis, Ihanta Randriamandrato, José Vianey, ary mpanao politika maromaro. Nanava-tena kosa ny FAT, indrindra fa ny TGV. Tsy tazana teny koa ry Pierrot Rajaonarivelo sy Vaovao Benjamin.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT