Politique

Didier Ratsiraka Ho tonga amin’ity herinandro ity ?


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Amin’ity herinandro ity, araka ny tsiliantsofina, no higadona eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka.

 Efa nisy ny filazana nataon’ity farany tamin’ireo mpomba azy rehetra mba hanomana ny fiverenany an-tanindrazana. Efa vonona daholo ihany koa, araka ny fantatra, ny mikasika ny fanentanana ny olona hitsena azy amin’ny fomba manetriketrika. Hisy mihitsy ny fampisehoana lehibe hotontosain’ny tarika malaza iray amin’izany. Araka ny taratasy mirakitra ny hevitry ny Amiraly ho an’ireo mpanelanelana ny SADC, ary novakian-dRtoa Ramisandrazana nitarika ny delegasiona teny Ivato, nandritra ny lanonana fanaovan-tsonia ny tondrozotra ny alin’ny zoma 16 septambra teo teny Ivato dia efa nilaza izy fa tokony hisy io fihaonan’ny filohan’ny vondrona efatra io eto an-tanindrazana. Araka ny tsiliantsofina ihany dia ho avy hanao sonia ny tondrozotra ny ankolafin’ny Amiraly. Ny fanasoniavana ity tondrozotra ity rahateo dia tokony hanafoana avy hatrany ireo fepetra noraisin’ny FAT mikasika ny fiverenan’ireo Malagasy sesitany any ivelany, toy ny NOTAM. Hampiova zavatra ny fahatongavan’ireo filoha roalahy Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana ireo eto an-tanindrazana, indrindra eo amin’ny sehatry ny politika. Tsy vitsy rahateo ireo mpomba azy ireo no efa dodona amin’ny fiandrasana.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT