Natao teny Faravohitra ny faran’ny herinandro teo ny fiarahabana ny filoha mpanorina ny antoko AREMA, ny Amiraly Didier Ratsiraka.
Nitarika ny lanonana ny sekretera nasionalin’ny antoko Simon Pierre sy ny mpikambana ao amin’ny Comité Directeur an’ny Arema. Teny an-toerana ihany koa ireo namana akaiky ary saika nisy solontena avokoa ny faritany 6 nanotrona ny lanonana. Efa fomba mahazatra fanao isan-taona io fifampiarahabana io. Nandritra ny lahateniny no nilazan’Atoa Simon Pierre fa “tsy mbola nisy tsy fandriampahalemana sy fahantrana tahaka izao, hoy ny olona any ambanivohitra. Ny vidim-bary tsy mitsahatra miakatra. Tamin’izany fotoana, 500 Ariary farafahalafony ny vary 1kg. Amin’izao fotoana, vary 1 kapoaka efa misy amidy 900 Ariary any Antsirabe. Mbola nanizingizina koa ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka fa tsy vahaolana ny fifidianana eritreretina atao amin’ity taona ity ary tsy laharam-pahamehana. Amiko ny vahaolana dia alamina aloha ny zavatra rehetra, atao ny loabary an-dasy, hoy ny amiraly Ratsiraka. Nivarotra ny fanananay izahay, ny tranon’ny zanako tany Paris, nanaovana ny fampihavanam-pirenena teny amin’ny CCI Ivato. Ahoana no tsy arahina ny zavatra nosoniavina teny ? Raha tsy mifandamina isika dia hisy korontana eto, raha ny fandinihan’ny amiraly azy. Mandroso hevitra izy hoe : atao aloha izay iarahan’ny besinimaro manaiky. Izay ihany no vahaolana. Ahoana ny fomba atao hahafahana mampandroso ny firenena haingana ? Izay no hitako mahamaika indrindra izao, hoy izy. Tokony hatao ny fomba rehetra hialana amin’ny krizy manangasanga. Misy olona te hanao zavatra tsara kanefa nahoana no sakanana ? Tsy misy olona hampiasa ny volany aty aminao raha mikorontana ny firenena, noho izany tsy maintsy atao aloha izay hampilamina ny firenena amin’ny alalan’ny fampihavanam-pirenena (Reconciliation nationale) ary alefa mivantana amin’nyTeleviziona Nasionaly, ny tsy miankina sy ny haino aman-jery iraisam-pirenena toy ny BBC, France 24 izany. Atao ohatry ny tamin’ny fitsarana ny raharaha Ratsimandrava izay nalefa mivantana tamin’ny fahitalavitra sy ny onjampeo. Atao aloha ny fampihavanam-pirenena tena izy, izay no mahamaika sy ahitana ny vahaolana, hoy ny Amiraly Didier Ratsiraka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.