Mihazakazaka ny toe-draharaha politika. Re indray izao fa mety ho avy eto Madagasikara ato ho ato ny amiraly Didier Ratsiraka, satria hanatrika ny raharaha fampihavanana ataon’ny FFKM eny amin’ny CCI Ivato manomboka ny alakamisy 18 aprily ho avy izao.
Tsy mbola nisy aloha ny fanambarana ofisialy fa siosion-dresaka no nahafantarana izany sy noho ny fihetsiketsehana ataon’ny mpikambana sasany ao amin’ny ankolafy Ratsiraka sy ireo kamarady Arema. Tsy nanasonia ny tondrozotra ny tariky ny amiraly, ary nitaky hatrany ny hanatanterahana ilay fihaonana an-tampony eo amin’ny ankolafy efatra, avy eo mitatra amin’ny vondrona politika maro samihafa. Nanasa ny rehetra hanatrika ny hetsika fampihavanana ataony ny FFKM, anisan’izany ireo filoham-pirenena teo aloha, ny filohan’ny tetezamita, ireo manampahefana sivily sy miaramila, ny solontenan’ny vondrona politika maro samihafa, ny firaisamonim-pirenena. Re ihany koa fa manaiky ity fomba fiasan’ny FFKM ity ny fitondrana tetezamita, ka mety ho noho izay angamba no naha tapa-kevitra ny amiraly Ratsiraka hiverina an-tanindrazana amin’izay rehefa avy nijanona tany Frantsa nandritra ny efa-bolana. Tsy mbola manana kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, na ny ankolafy Ratsiraka na ny antoko Arema manokana, na dia efa samy eto an-toerana avokoa aza ireo lohandohan’ny mpisorona ao aminy. Tsikaritra fa miandry ny fanapahan-kevitr’i Didier Ratsiraka izy ireo koa dia ho hita eo ny ho tohiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.