Ho ambohipihaonan’ny mpikatroka Arema ao Toamasina anio sabotsy 18 jona.
Hotanterahina anio tokoa ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny AREMA (Andry sy Rihana Enti-manavotra an’i Madagasiakara), antoko naorin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka. Nihazo ny renivohitr’i Betsimisaraka omaly ny tenany, ary andrasana ny fanambarana hataony mandritra izany. Ankoatra ny raharaha anatin’ny antoko, dia heverina fa hanan-kolazaina momba ny raharaham-pirenena ny amiraly Didier Ratsiraka. Izao rahateo indray izy vao hiseho vahoaka, taorian’ny fahanginany fotoana naharitra. Efa nosantarina tamin’ny fampirantiana an-tsary ny tantaran’ny antoko tao anatin’izay 40 taona nijoroany izay ny AREMA, tao amin’ny CRJS Toamasina ny faran’ny herinandro lasa iny. Mahoraka tato ho ato izay ny hoe fanakorontanana, fikononkononana fanonganam-panjakana, teo ihany koa ny resaka fitakiana ny hanatanterahana fifidianana mialoha ny fotoana. Nisy mihitsy aza ny mpanao politika sy fikambanana ary vondron’olona nitaky ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena. Nangina tsy nandrenesam-peo ny Amiraly Ratsiraka sy ny antoko AREMA tarihany, manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ny deba ka ho hita eo izay fanambarana hataony.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.