Feno 42 taona katroka ny 16 martsa lasa teo ny Antoko Arema naorin’ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka. Ny 16 martsa 1976 mantsy no niorenan’ity antoko anisan’ny manana ny tanjany eto Madagasikara ity. Miarahaba ny filoha mpanorina,
ny komity mpitantana sy ny AREMA rehetra manerana ny nosy ny sekretera nasionaliny Simon Pierre nahatratra ny faha-42 taonan’ny antoko. Ny filoha Didier Ratsiraka no filoha mpanorina ny AREMA tamin’izany ary anisany koa ny tenako, hoy izy. Betsaka ny zavatra nandalo, nanahirana, nefa tsy maty ny AREMA fa velona soa aman-tsara. In-droa no nanaovana fanenjehana ny antoko sy ny fitondrana nentin’ny filoha Didier Ratsiraka, kanefa tsy maty ny AREMA. Manomana ny hoavy no tarigetrantsika amin’izao fotoana izao, hoy ny hafatr’i Simon Pierre. Miarahaba ny AREMA sy ireo rehetra nahazo tombotsoa tamin’izany antoko izany, ary miarahaba ny vahoaka Malagasy tratr’izao fotoan-dehibe izao izy. Manainga ireo rehetra afaka ho eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina amin’ny sabotsy 24 martsa 2018 hiara-kifaly sy hifampiarahaba ny AREMA. Miantso ny rehetra ho tonga na antitra na tanora, na lavitra na akaiky. Antsoina ihany koa izay rehetra vonona hiara-hiasa amin’ny AREMA hiara-hifaly. Manomboka amin’ny 11ora ny lanonana izay hafanain’ny mpanakanto maro. Ny lanonana dia eo ambany fiahian’ny filoha mpanorina Didier Ratsiraka mivady sy ny fitarihan’ny sekretera nasionaly Simon Pierre, miampy ireo komity mpitantana ny AREMA eto Madagasikara. Heverina araka izany, fa mandritra io fotoana io no hanaovan’ny Amiraly Didier Ratsiraka fanambarana lehibe sy hitondrany ny heviny momba ny raharaham-pirenena. Somary nangingina rahateo ity filoha teo aloha ity tato ho ato, ka dia andrasan’ny rehetra izay mety hambarany amin’io sabotsy io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.