Nanamafy omaly alina ireo mpiara-miasa akaiky aminy fa dia hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tokoa anio tolakandro manomboka amin’ny 3 ora eny amin’ny hotely Carlton ny amiraly Didier Ratsiraka.
Ny 11 septambra no re feo farany tamin’ny alalana fandaharana nalefa mivantana tamin’ny haino aman-jery i Deba. Naneho ny ahiahiny momba ny fifidianaa izy tamin’io, mitazona ny heviny ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fihaonana an-tampony ihany koa ary nanamafy fa ny Frantsay no tao ambadiky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Nisafidy ny fisasahan’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra ny amiraly mba hanehoany hevitra, koa dia andrasan’ny maro indray izay hambarany. Hijanona ho mpitazana ihany ve ny ankolafy Didier Ratsiraka ka tsy handray anjara amin’ny fifidianana sa mety hanohana kandida ? Mikatso ilay ezaka fampihavanana ataon’ny FFKM, mbola any an-kibon’ny omby ilay fihaonana an-tampon’ny efa-tonta. Mbola hiandry ihany ve i Didier Ratsiraka sa hamoaka ho fanta-bahoaka amin’izay ireo vahaolana roa na telo nambarany fa hanavotana ny firenena ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.