Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena omaly ny filoha teo aloha isan’ireo kandida voailika, ny amiraly Ratsiraka Didier, roa herinandro mialoha ny hanatanterahana ny latsa-bato fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Nambarany fa mety hiteraka krizy vaovao sy makadiry indray io fifidianana io ka izao dia izao dia tsy maintsy mitady vahaolana raha tiana hilamina ny firenena. “Betsaka ny miteny fa ny fifidianana ihany no vahaolana nefa azo eritreretina ve ny hizoran’izany ao anatin’ny mangarahara sy ny fahadiovana tanteraka raha izao zava-misy izao no jerena ?”, hoy izy. Nanoso-kevitra ny tenany ny hisian’ny fiaraha-mitantana ny firenena manomboka amin’ny faran’ity volana ity, mba hamoahana an’i Madagasika ao anatin’ny krizy. Nambarany fa efa misy mpamatsy vola vonona hiara-miasa amin’i Madagasikara. Tsy hisy firenena hafa any ivelany afaka hisakana antsika rehefa miray hina isika fa hifandinika sy hikaon-doha aloha izay vao miroso amin’ny fifidianana, hoy ihany ny filoha Ratsiraka. Nalefa manontolo tamin’ny haino aman-jerim-panjakana ity valandresaka nataon’ny amiraly Ratsiraka Didier ity, izay nampametra-panontaniana ny maro hoe hatraiza ny fahefany ary inona no tanjona satria efa-taona ngarangidina ny Pr Zafy Albert no nangataka 30 minitra mba hitenenana tao amin’ny RNM sy TVM fa tsy nahazo nefa mba filoham-pirenena teo aloha, voafidim-bahoaka ihany koa, sa miaramila i Ratsiraka Didier dia mivoha midanadana ho azy ny haino aman-jerim-panjakana ?
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.